Fanentanana ho an’ireo mpandraharaha ara-barotra: Nisitraka fanentanana ihany koa ireo mpandraharaha tao Toamasina mikasika ireo fepetra ara-barotra tokony arahina
Nanamafy hatrany ny ekipan’ny Fitaleavana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) eto anivon’ny MICC momba ireo fepetra ara-barotra rehetra tsy maintsy arahin’ny mpandraharaha ho tombotsoan’ny mpanjifa.
Tafiditra anatin’izany ohatra ; manan-jo tanteraka araka izany ny mpanjifa hitaky ireo anti ran-taratasy manamarina ny vidin’entana.
Ny fifanakalozana ara-barotra kosa indray dia misy hatrany ny lalan’ny fitsinjarana, raisina ohatra : mpamokatra -> mpamongady -> mpaninjara
Mitohy hatrany ny fanentanana ny mpisehatra rehetra hifanome tanana ho fitsinjovana ny mpanjifa satria dia isika rehetra no mamaritra ny atao hoe MPANJIFA.