Fanentanana ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga fahatelo

Ilaina ny fitaizana ny fananana ny kolontsain’ny fandraharahana. Izany indrindra no nandrisika ny MICA sy ny ivon-toerana NEXTA hanatanteraka fanentanana eny anivon’ny sekoly amin’ny ambaratonga fahatelo. Anio dia ny mpianatra teny amin’ny Sekoly Andohalo no nisitraka izany fanentanana momban’ny kolontsain’ny fandraharahana izany. Tsy hijanona eto Antananarivo irery ihany ny fanentanana ho an’ny mpianatra izay isan’ny fanoitry ny fandraharahana fa mbola hihitatra any amin’ny faritra.

Vous aimerez aussi...