Fanjifana: Mari-toerana ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro eny an-tsena na teo aza ny krizy iraisam-pirenena.

Raha notombanana fa hiakatra be ny vidin’entana noho ny fisian’ny ady any Iokraina dia azo lazaina fa mari-toerana izany ankehitriny. Tsy afa-miala amin’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mantsy i Madagasikara satria ny 80%-n’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia mbola afarantsika avy any ivelany.
“Nisy hatrany ny ezaka teo amin’ny fanaraha-maso sy fandanjalanjana ny vidin’entana ho ara-drariny”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny trano fiasany etsy Ambohidahy. Niainga tamin’ny famerana ny vidin’entana farany ambony sy ny tombom-barotra azo alaina izany nisorohana ny fiakaram-bidy mihoampampana. Fepetra zay nifanaovana teny ierana tamin’ny mpanafatra, ny mpamongady, ny mpaninjara niaraka tamin’ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa.
Hita fa tamin’ny ankapobeny dia voahaja ny vidin’entana farany ambony. Nisy ny sazy nampiharina tamin’ireo tsy nanatanteraka izany.
Handanjalanjana ny fahefa-mividin’ny mpanjifa manoloana ny fahasahiranana dia nanapa-kevitra ihany ny fanjakana fa hanafatra vary Tsinjo. 600 ariary no nivarotana ny 1 kapoaka. Novidiana teny amin’ny tsena rehetra manerana ny Nosy izany.
Tsy maintsy noraisina koa ny vahaolana nanoloana ny zava-nisy ka niezaka nanaparitaka mivantana teny an-tsena ny siramamy Namakia ny MICC sy ny SPM. “Marina fa tsy ampy kanefa azo lazaina fa nampitony ny vidiny”, hoy ny minisitra misahana ny Varotra sy ny Fanjifana. Nambarany fa tokony ho hita taratra amin’ny vidin’entana eto an-toerana ny fidinan’izany eo amin’ny tsena irasaim-pirenena.
Araka izany dia tsy tokony hihoatra ny 2200 Ar ny kilaon’ny vary afarana, 8250 Ar ny litatra amin’ny menaka mandry ary 3300 Ar ny iray killao amin’ny lafarinina. Momba ny entona fandrehitra dia tsy tokony hiova ny vidiny amin’ity taona ity, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny mpamokatra izany.

Vous aimerez aussi...