Fanohanana an’ireo Tanora amin’ny fizarànasa

Nanomboka androany 30 aogositra 2021 ny fampiofanana an’ireo andiany tanora mpianatra voalohany miisa 125 avy amin’ny sekoly ambony miara-miasa amin’ny fandaharanasa Tendro fampizàranasa na “Pôle Stage Madagascar”. Fanampiana ny tanora mpianatra amin’ny fahazoana fizàranasa eny amin’ny orinasa isan-tsokajiny izao hetsika izao. Iarahan’ny Fanjakana (Ministeran’ ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana; ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy) sy ny sehatra tsy miankina (Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara na SIM sy ireo sekoly ambony maromaro) ny fanatanterahina ny fampiofanana. Vokatry ny fifanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny Fanjakana sy ny SIM ary ireo sekoly ambony ( ESPA, IST, ISCAM, INFP) tamin’ny 05 aogositra lasa teo ity fampiofanana haharitra efatra andro etsy Anosy ity. Horaisin’ny orinasa DHL sy ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung ary ny ACPE Madagascar an-tanana ny lafiny teknika amin’ny fampiofanana izay hiompana amin’ny lohahevitra manodidina ny fampandrosoana ny tontolon’ny fandraharahana eo amin’ny tanora malagasy.
Aorian’izay ireo mpianatra ireo no hanatanteraka ny fizàranasa avy hatrany eny anivon’ny orinasa mpikambana ao anatin’ny SIM.

Vous aimerez aussi...