Fanohanana ny Orinasa Afaka Haba
Manohana sy mihaino ary mitantsoroka hatrany ireo orinasa afaka haba ny MICC.
Nanolotra teboka vitsivitsy mitaky fanalefahana sy fanamaivanana ary fanatsarana eo amin’ny lafiny ara-teknika sy ara-taratasy ny Vondron’ny orinasa afaka haba sy mpiara miombon’antoka (GEFP) ho fampandrosoana ny sehatra ara-toekarena eto Madagasikara. Nambaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny fahavononan’ny Minisitera hanampy ireo orinasa afaka haba ahafahan’izy ireo mampiroborobo ny sehatr’asany izay misahana asa manodidina ny 150.000 isa. Noraisin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana androany ny avy amin’ny GEFP notarihin’ny filohany.