Fanohizan’ny Fanjakana ny ezaka iadiana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana
Tontosa androany 07 janoary 2022 teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonana voalohany teo amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ireo tompona gazety sy haino aman-jery, ary mpitantana niaraka tamin’ny mpanao gazety, amin’izao taom-baovao izao . Isan’ny lohahevitra nentin’ny Filoha Andry Rajoelina ny mikasika ny paikady entina hanalefahana ny vidim-piainana eto Madagasikara. Tafiditra amin’ireo asa fohy ezaka ny fahatongavan’ny ampahany amin’ireo sambo 20 ao Toamasina izay mitondra ny entana ilaina andavanandro na PPN. Voafetra mantsy ny fatra zakan’ny Silo ao amin’ny seranan-tsambo ao Toamasina ka tsy maintsy tonga tsikelikely ireo sambo ireo. Nambaran’ny Filoha ihany koa fa eo am-piandrasana ny vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana Indiana ankehitriny ny Fitondrana mikasika ny fandefasana sambo hafa miisa folo izay hitatitra vary, masomboly ary milina indostrialy ho aty Madagasikara. Tanjona lavitr’ezaka sady vahaolana maharitra hatrany, hoy izy, ny fampitomboina ny famokarana eto an-toerana an’ireo entana ilaina andavanandro.