Fanolorana amboara maha tompondaka amin’ny fampiroboroboana ny Indostria aty Afrika

Notoloran’ny Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel (ONUDI) ny amboara maha tompondaka amin’ny fampiroboroboana ny indostria aty Afrika ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany 12 aogositra 2022, andro faharoa amin’ny fitsidihana ofisialy tanterahiny ao Vienne Autriche ity.
Voahosotra ho tompondakan’ny fampiroboroboana ny indostria aty Afrika ny tenany noho ny fijoroany sy fahavononany hitondra fampandrosoana amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny indostria, izay voafaritra ao anatin’ny Velirano faha-7 nataony tamin’ny vahoaka Malagasy sy ny velirano faha-9 dia ny fahavitantena ara-tsakafo. Mifanojo indrindra amin’ny fotokevitra ijoroan’ny ONUDI momba ny ady amin’ny fahantrana rahateo moa ireo vina sy paikady entin’ny Fitondram-panjakana hanatrarana ny fanamby.
Ny fampiroboroboana ny indostria no antoka hanatrarana ny fahataran’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, hiadiana amin’ny fahantrana ary hahatongavana amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo hoy ny Filoham-pirenena nandritra ny fandraisam-pitenenany. Indostria miisa 107 ankehitriny no voatsangana manerana an’i Madagasikara hatramin’ny taona 2019. Anisan’izany ny ozinina fikapoham-bary « les Minoteries de l’Océan Indien », ny ozinina mpamokatra siramamy, ny ozinina mpamokatra fanafody Pharmalagasy, ny ozinina Nutrisud, tafiditra ao ihany koa ny fandaharanasa Titre Vert, ny Clean coocking an’ny Miaro Madagascar, ny fanamoràna ny fanantany ho an’ny tantsaha, ny Fihariana ary ny ODOF.
Hijoro ary vonona ny tenako hoy ny Filoha hanohy ny ezaka efa natomboka amin’ny fampiroboroboana ny indostria ho an’ny fampandrosoana maharitra, tsy ho an’i Madagasikara irery ihany fa ho fanoitra ho an’I Afrika manontolo.

Vous aimerez aussi...