FANOLORANA FAMPITAOVANA HO AN’NY “AUTORITE NATIONALE CHARGEE DES MESURES CORRECTIVES COMMERCIALES” (ANMCC)
Notontosaina anio 03 jona 2021 ny fanolorana fampitaovana natolotry ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana (MICA) amin’ny alalan’ny famantsiam-bola avy amin’ny FAC-MAIR ho an’ny “Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales” (ANMCC) tetsy amin’ny MICA Ambohidahy. Ny MICA dia manohana ny ANMCC izay isan’ny antokon-draharaha ambany fiahian’ny MICA eo amin’ny asa sy paikady rehetra ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena.