FANOLORANA TARATASY FANOMEZAM-PANAMARINANA HO AN’IREO MPANAO ASATANANA MISEHATRA AO ANATIN’NY SEHA-PIHARIANA HODITRA

Tontosa anio maraina tetsy amin’ny biraon’ny MICA misahana ny Asatanana 67HA ny fanolorana ny taratasy fanomezam-panamarinana ho an’ireo mpanao asatanana ao anatin’ny seha-pihariana hoditra avy ao amin’ny Gasy Skin. Izany fanohanana ara-teknika izany dia tsiahivina fa avy amin’ny fiaraha-miasan’ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Asatanana eto anivon’ny MICA sy ny tahiry Famantsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny mPiasa (Fonds Malgache de Formation Professionnelle) ary ny FAC-MAIR ka nahafahan’ireo mpanao asatanana ireo nisitraka fampiofanana mikasika ny haitao na ny « design » teny amin’ny sekoly ISCAM. Izany no natao ho fampidirana azy ireo amin’ny sehatry ny matihanina bebe kokoa sy hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny vokatra ka afaka hifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. « Zava-dehibe eo amin’ny fanatsarana ny famokaran’ireo mpanao asatanana eo amin’ny seha-pihariana hoditra ny fanarahana ny fiofanana manokana ary mitondra fomba fijery hafa ary indrindra mitondra haitao vaovao ho an’ny famokaran’izy ireo. » araka ny nambaran’Atoa Tale Jeneraly misahana ny Asatanana eto amin’ny MICA.

Vous aimerez aussi...