Fanomanana ny fihaonan’ireo ministra eo anivon’ny Vaomieran’ireo Firenena Mikambana misahana ny Varotra sy ny Fampandrosoana (CNUCED)

Nandray anjara tamin’ny fivoriana ampitain-davitra hanomanana ny fivoriana faha 15 iarahan’ny minisitry ny Varotra rehetra eo anivon’ny Cnuced manomboka amin’ny 3 hatramin’ny 7 oktobra ny ministra Edgard Razafindravahy omaly Alakamisy 16 septambra 2021.
Fanorenana Ifotony ny toekarena sy fandaminana ara-tsosialy no tsy maintsy atrehan’ireo firenena sahirana (PMA) taorian’ ny aretina covid-19 hoy ny minisitra, raha nandray fitenenana ny tenany.
Tsy ampy ny fangatahana fanampiana fotsiny fa mila « antoka » sy « fifanakalozana an-kitsimpo ».
Manantena izy fa tsy ho fivoriana mahazatra tahaka ny nisy hatramin’izay no ho tanterahana mandritra ny fivoriana hiarahan’ireo ministry ny Varotra rehetra fa handinihana io teboka mafonja nambarany io.

Vous aimerez aussi...