Fanombohana ny tetikasa “AUTOROUTE”: Hanamora sy hanafaingana ny fitaterana ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny lalambe migodana

“Ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro rehetra toy ny solika, simenitra, vy, vary sy entana samihafa dia miala avy ao Toamasina, tonga eto Antananarivo ary miparitaka manerana an’i Madagasikara”, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androanyotany Talata Volonondry nentiny nilazana fa zava-dehibe ny fahavitan’ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina izay mirefy 260 km.
Mihoatra ny 1200 isan’andro mantsy ankehitriny ny fiara mifamezivezy amin’ny Lalam-pirenena faha-2 (RN 2) izay namboarina tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany ka mitarika ny fahasimban’ny lalana sy lozam-pifamoivoizana maro.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany Sabotsy 3 Desambra 2022 tao Talata Volonondry ny asa fanamboarana ny lalambe migodana. Hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy any amin’ny faritra izay lalovany : ny Faritra Analamanga, ny Faritra Alaotra Mangoro ary ny Faritra Atsinanana izany.
Anisan’ireo tonga teny Talata Volonondry, ankoatran’ireo parlemantera, ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. “Maneho fa vonona izahay ary hiroso izahay; Tsy misy hahasakana anay tsy hanatanteraka ny asa”, hoy ny Filoham-pirenena androany.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...