Faritra Analamanga: Alasora, Ambohimangakely ary Mahitsy no hisy ireo tsenan-detisia ambongadiny

Raha omaly Alakamisy 17 Novambra 2022 no nahazo fiofanana avy amin’ny DRICC ireo tompon’andraiki-pitantanana ny tsenan-detisia ambongadiny ao amin’ny kaominina Alasora sy Ambohimangakely dia anjaran’ny any Mahitsy indray no misitraka izany amin’ity Zoma ity. Omena azy ireo avokoa ny torolalana sy ny traikefa rehetra amin’ny fananganana sy fitantanana ny tsena ary koa ireo tombontsoa maro isan-karazany sitrahan’ny kaominina amin’izany tsena izany.
Omaly moa dia naneho ny fahavonony tanteraka handray izany tsenan-detisia ambongadiny izany ny kaominina roa tonta ary nisaotra ny MICC nisafidy azy ireo hisitraka izany tsena izany ho tombontsoan’ny kaominina sy ny vahoaka ao aminy.
Amin’izao fotoana izao any Toamasina dia efa tafaverina avokoa ireo Teknisianin’ny CTHT avy naka santionan’ireo vokatra letisia avy tamin’ireo tanàna mpamokatra izany any amin’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo, avy any Mahanoro hatrany Soanerana Ivongo. Efa amperin’asa izy ireo mijery ny habe sy hamamin’ny voankazo. Rehefa vita izany dia afaka mamoaka ny vokatry ny fanadihadiana izy ireo ahafahana mamafitra ny daty fanombohan’ny taom-piotazana.

Vous aimerez aussi...