Faritra analanjirofo sy atsinanana: Nikaon-doha tany Toamasina nanomana ny taom-piotazana letisia ny avy amin’ny rafitra sy sampan-draharaham-panjakana voakasika, ny mpandraharaha sy kaoperativa.
Niainga tamin’ny jery todiky ny taom-piotazana lasa dia hita ny lesoka maromaro izay nitondram-bahaolana miaraka. Anisan’izany ny vidin’ny letisia, ny fandanjana azy, ny fitaterana, ny tamberim-bidy sy ireo taratasy ilaina amin’ny fanangonam-bokatra.
Tontosa tany Toamasina ny 04 Novambra 2022 ny atrik’asa iraisam-paritra izay niarahan’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana ho fanomanana ny taom-piorazana letisia 2022. Nandray anjara tamin’izany ny tompon’andraikitra avy amin’ny Faritra roa, ireo kaominina voakasika, ny DRICC sy ny DRAE, ny avy eo anivon’ny fandoavan-ketra sy ny statistika. Teo aminr’ny sehatra tsy miankina kosa dia nahitana ny Vondron’ny mpanondrana letisia (GEL) , ny fikambanan’ny mpitatitra, ny fikambanan’ny mpanangom-bokatra, ireo kaoperativa sy ny avy eo anivon’ny CTHT.
Mbola hitohy moa ny fifampidinihana ka aorian’izay no handraisana ny fanapahan-kevitra sy hivoahan’ny daty isokafan’ny taom-piotazana amin’ny fomba ofitsialy.
Sary DRICC