Faritra Androy: Nandray ny asany ny Talem-paritra vaovao

Anisan’ireo Talem-paritra (DRICC) vaovao voatendry nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny 05 Oktobra 2022 ny Talem-paritra Androy, Mara Fulton Zafindroy. Ny Alatsinainy teo izy no nandray ny asany. Tontosa tamin’io andro io ny famindram-pitondrana teo aminy sy ny Tale teo aloha André Antsoavina. Natrehin’ireo solontenam-panjakana sy olobe isan-tsokajiny ny lanonana.
Fisaorana no natolotra ny Tale teo aloha ary tsodrano sy firariantsoa kosa no nomena ny Tale vaovao. Tam-piralahiana tanteraka no nizoran’izany rehetra izany.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...