Faritra atsimo atsinanana: mitobaka ny vary vao ka tsy nahitana fiakarana ny vidim-bary

Tena misy ary mandrakotra ny tsena anatiny any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny vary vao. Tsy nahitana fiakarany araka izany ny vidim-bary. Izany no fehin-tenin’ny avy amin’ny DRICC Atsimo Atsinanana izay nidina ifotony nijery ny vidim-bary eny an-tsena tamin’ity Talata 10 Janoary 2023 ity.
Voatàna koa ny vidin’ny vary nohafarana ary ampy tsara ny tahiry. Toy izao ny vidin’ny vary any Farafangana:
– Vary gasy : 650Ar ka hatramin’ny 750Ar ny kapoaka
– Vary nohafarana : 700Ar ka hatramin’ny 750Ar
Hatreto aloha dia mbola milamina tanteraka ny vidim-bary aty Atsimo Atsinanana mandrapahatapitry ny vary aloha.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...