Faritra Boeny: Mpandraharaha 40 nahazo fanamarinana maha-mpanondrana lojy fotsy. Vokatra 21700 taonina voamarina alohan’ny fanondranana.
Nisy fidinany vokatra sy ny tahan’ny lojy fotsy naondrana noho ny fisian’ny biby kely mihinana ny vokatra sy fihenan’ny tinady teo amin’ny mpanafatra. Raha ho an’ny DRICC Boeny manokana dia 21700 taonina hatreto ny vokatra nahazo CCCO (Taratasy fanamarinana ny nahavitana fanaraha-maso momba ny fonosana sy fiaviana) ho an’ny taom-pamokarana 2022 raha 30900 taonina izany tamin’ny 2021.
Nisy ny Atrikasa nandinihana ny ho avin’ny voamaina any amin’ny faritra Boeny ny Talata 14 Marsa 2023 tany amin’ny Kaominina Andranofasika. Tamin’izany no nampahafantarana sy ny nampirisihana ireo mpamboly hamokatra voamaina hafa ankoatra ny lojy fotsy. Ahazahoana tombony tsara kokoa izany ary mbola malalaka ny tsena eo amin´ny sehatra iraisam-pirenena ohatra amin’ny ny soja, ny voanjo ary ny tsoroko (embérique).
Misy ny vina ny hanitratra ny vovonana (plateforme) lojy fotsy ho vovonana voamaina.
Sary DRICC