Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikana (ZLECAF): Nifampizara traikefa tamin’ny birao nasionalin’i Ghana ny solontena malagasy
Nihaona tamin’ny birao nasionalin’i Ghana, tarihin’ny Minisiteran’ny Varotra, mandrindra ny varotra malalaka ao anatin’ny kontinanta afrikana ny delegasiona malagasy nandritra ny fivoriana tany Accra/Ghana tamin’iny herinandro lasa iny. Ao amin’ity birao ity no misy ny solontena avy amin’ny rantsamangaika rehetra mikirakira ny varotra any Ghana toy ny ao amin’ny varotra, ny fadintseranana, ny fitaterana, ny tompon’andraikitry ny fenitra sy ny kalitaon’entana, ny fambolena, ny sehatra tsy miankina.
Anisan’ny mampahomby ny sehatra ara-barotra any amin-dry zareo any Ghana ny fiaraha-miasan’ireo sampan-draharaha rehetra sy ny tsy miankina, ny fifampizarana traikefa sy vaovao ary ny famahana olana. Nantitranterin’ny ganeana koa fa ny fahombiazana dia avy amin’ny fiomamana sy fiaraha-misalahy. Manana andraikitra ny sampan-draharaha rehetra fa tsy hoe sampan-draharaha vitsy fotsina. Manampy, manohana, manosika no asan’ny Fanjakana. Manana andraikitra goavana ny Sehatra tsy miankina izay mifampivarotra mivantana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-barotra amin-dry zareo. Anisan’ny nampandroso azy koa ny fisian’ny ivotoerana manome vaovao isaky ny distrika.
Nizara tamin’ny birao nasionalin’i Ghana ny politika ankapoben’ny ministera (MICC) kosa ireo solotena malagasy. Mitrandraka mafy ny ODOF ny ganeana ary mahatsapa ihany koa fa mampahomby kokoa ny fanodinana vokatra. Omeny lanja sy tohanany ny vehivavy sy ny tanora eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana.