FARITRA SAVA: Ampy ny tahiry ary tsy ekena ny fanangonana ny PPN aorian’ny fandalovan’ny rivo-doza BATSIRAI
Midina tsy tapaka manara-maso ny tahirin’entana ilaina andavanandro eny amin’ireo mpamongady sy mpaninjara ny ekipan’ny DRICC. Tanjona ny tsy hisian’ny fanangonana sy fanagiazana ny PPN izay mety hiteraka fanararaotana aorian’ny fandalovan’ny rivo-doza. Ampy avokoa ny tahiry ary tsy misy atahorana. Ny Vary Tsinjo manokana dia misy 21.000 taonina tonga any Toamasina. Tsy mitombina araka izany ny mety ho fiakaran’ny vidiny. Ireo no nambaran’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) any SAVA raha nanao fanentanana ho an’ny mpandraharaha ara-barotra sy ny mpanjifa any an-toerana, tamin’ny haino aman-jery.
Isan’ny taratasy ara-barotra hamarinina mandritra ny fanaraha-maso ny “fanambarana ny tarihy” ahafahan’ny mpamongady manome toky fa tsy hisy ny fampiakarana ny vidin’ireo PPN.