Faritra Sava

Tonga hametraka lamina momba ny lavanila ny Filoham-pirenena
« Hiaro anareo tantsaha, hiaro anareo mpamboly no nahatongavako aty androany », hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao amin’ny Fokontany Ambalavanio, kaominina Belaoko Lokoho any amin’ny distrikan’Andapa androany maraina. Nasehony tamin’io fotoana io ny karatra biometrika ho an’ny mpamboly. « Ao anaty lisitra nomerika daholo hoe iza no mpamboly lavanila », hoy izy raha naneho fa hitondra filaminana manoloana ny halatra lavanila ny fampiasana io karatra io.
Nanome toky ireo mpandraharaha koa ny Filoha fa mahazo agrément (fankatoavana hanondrana lavanila) izay rehetra manaraka ny lalàna.
Hentitra moa izy raha nanambara, nandritra ny lahateniny, fa « tsy maintsy vidiana amin’ny vidiny farany ambany, ny mihoatra tsy ferana », ny vokatry ny tantsaha. « Efa nitondra mpividy aho ao », hoy i Andry Rajoelina.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...