Faritsa Atsinanana sy Analanjirofo: Hisokatra ny Talata 22 Novambra 2002 ny taom-piotazana letisia

Hanomboka ny Talata 22 Novambra 2022 izao amin’ny 4 Ora tolakandro ny fotoam-piotazana letisia any amin’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Io no tapaka taorinan’ny fivoriana niarahan’ireo Vondron’ny mpanondrana letisia sy manampahefana any amin’ny Faritra Atsinanana.
Efa miisa 800 hatreto ny isan’ny fahazoan-dalana (agrément) navoakan’ny Faritra Atsinanana ho an’ireo mpandraharaha momba ny letisia any Toamasina. Nijery ny fiasan’izy ireo tany an-toerana ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana Edgard Razafindravahy afak’omaly Alakamisy 17 Novambra 2022.

Vous aimerez aussi...