Federasionan’ny antenimieran’ny varotra sy indostria eto Madagasikara: nandray ny fitantanana ny FCCIM ny Filoha vaovao Laou Pou Wilfrid

Nafindran’ny Filoha teo aloha Viviane Dewa tamin’ny mpandimby azy Laou Pou Wilfrid ny fitantanana ny Federasionan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara (FCCIM). Tetsy amin’ny biraon’ny FCCIM Antanimena no nanatanterahana izany ny Zoma 22 Septambra 2023. Lanonana natrehin’ireo mpikambana nifandimby toerana ao amin’ny Birao maharitry ny Federasiona, ny mpiara-miasa ao amin’ny FCCIM ary ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Tetik’asa (DPP) eto anivon’ny MICC.

Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Antsiranana ny Filoha vaovaon’ny FCCIM ary Filoha lefitra teo aloha niara-niasa tamin’ny Filoha Viviane Dewa ihany.
Naneho fisaorana mitafotafo tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny Filoha teo aloha Viviane Dewa sy ny vaovao Laou Pou Wilfrid tamin’ny tsirin-kevitra nikarakarana ny fifidianana teny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria, sy nanomezana aina vao ny CCI. Nanome toky ny Filoha vaovaon’ny FCCIM fa hitondra fanavaozana amin’ny fomba fitantanana ny Biraon’ny FCCIM ankehitriny.
Sary Nomena

Vous aimerez aussi...