« Festival de citrons »

Nisongadina ny fahavononana hiara-hientana hanandratra ny vokatra voasary makirana any Fandriana
Mahatratra 1500 taonina isan-taona ary misy tsy tapaka ny vokatra voasary makirana any amin’ny distrikan’i Manandriana. Antony nahatonga ny Filohan’ny Vondron’ireo kaoperativan’ny mpamboly voasary mbola nanamafy ny fanirian’izy ireo hisitraka fitaovana hanodinana ny vokatra. Nitondra fanazavana momba ny andraikitry ny MICC amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana mikasika ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny #Velirano 7 sy #Velirano 9 kosa ny Talem-paritra (DRICC) Amoron’i Mania Amélie Yolande Randrianarijaona. Nandritra ny fanokafana ny hetsika “Festival de citrons” tany Manandriana ny Zoma 19 Aogositra 2022 lasa teo izany rehetra izany.
Samy naneho ny fahavononany hitondra ny anjara biriky hametrahana amin’ny toerana sahaza azy ny voasary makirana avy any Manandriana ny ankolafy rehetra voakasika. Dinika an-databatra boribory niresahana ny olana mianjady amin’ireo kaoperativa amin’ny lafiny fambolena sy ny lafiny lalam-barotra ary ny vahaolana amin’izany no niarahana tamin’ireo talem-paritra ny Alakamisy. Hanome tanana ny zanaky ny faritra izay efa misy injeniera momba ny fambolena sy fambolena vokatra hatao sakafo amin’izao fotoana izao. Nisy koa ny fihaonan’ny kaoperativa tamin’ny mpampisambo-bola madinika (microfinances).
Nikarakara izao hetsika izao ny Fikambanana Natiora Kanto.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...