Fiainan’ny Minisitera

Nandray ny toerana maha-Tale misahana ny Fisandratana ara-indostria (DEI) ny Tale vaovao.
« Miainga avy amintsika ny fametrahana sy ny fahamatorana eo amin’ny fanatanterahana ny fisandratana sy ny fampandrosoana ara-indostria ary mampita izany mivantana makeny ifotony eny amin’ny mponina. » Vonona ny hanohy sy hanatsara ireo asa fampiroboroboana ny indostria ny DEI vaovao, Ulric Ramiandrasoa, hanatratrarana ny tanjona napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Raha tsiahivina dia efa nitàna toerana tompon’andraikitra teo anivon’ny Tetik’asa ODOF sy efa Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra Itasy ny tenany izao mandray ny andraikitra Tale misahana ny Fisandratana ara-indostria izao. Tontosa androany Alakamisy 14 martsa 2024 tetsy Anosy ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny DEI teo aloha sy ny DEI vaovao.

Vous aimerez aussi...