FIANIANANA NOTONTOSAIN’NY MPANARAMASON’NY VAROTRA
Tontosa anio tetsy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny fianianan’ireo mpanaramaso momban’ny varotra vaovao miisa 30 (17 lehilahy ary 13 vehivavy) izay hisehatra sy hiasa hanatevin-daharana ireo mpanaramaso ara-barotra manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara rehefa avy nanaraka fampiofanana nandritra ny roa taona. Ankehitriny raha tsiahivina dia miisa manodidina ny 306 ireo mpanaramaso ara-barotra ireo ary 170 amin’izy ireo no eny anivon’ny faritra.
Raha ny nambaran’ny Tale Jeneraly misahana ny Varotra eto amin’ny MICA,Atoa RARIVOJAONA Andrianirina Njara, dia 24 amin’ireo 30 nanao fianianana anio no hisehatra avy hatrany any amin’ny faritra.