Fiaraha-Miasa Eo Amin’i Madagasikara Sy Inde: Hifanome tanana amintsika amin’ny fampiroboroboana ny Taninketsa Indostrialy i Inde

Tsapan’ny ministra Edgard Razafindravahy tamin’ny fitsidihany tany Inde, ny lanjan’ny fandrosoan’ny firenena indiana eo amin’ny lafiny maro, indrindra ny lafiny ara-indostria. « Afaka miara-miasa sy mifanohana tsara i Inde sy i Madagasikara mampandroso io lafiny ara-indostria io », hoy ny ministra omaly 29 Desambra 2022 raha nandray ny masoivoho vaovaon’i Inde, Bandaru Wilsonbab, tetsy Ambohidahy. Misy ny atao hoe Khadia India, any Inde, izay karazana indostria isa-tanàna (industrie villageoise) mitovitovy amin’ny ODOF (One District One Factory) ataon’i Madagasikara ankehitriny. Napetraka tamin’ny andron’i Ghandi izy io teo amin’ny sehatra landihazo fa efa mivelatra amin’ny lafiny maro ankehitriny.

Manana traikefa sy fitaovana rehetra ianareo ka izay no ilànay fiaraha-miasa aminareo, hoy ny minisitra, hampiroboroboana ny ODOF. Mila indostria kely, aman’arivony i Madagasikara, ahafahan’ny tantsaha manodina eo an-toerana ny vokany. Mila ozinina manodina ny voatabia, ny ovy, ny voankazo isan-karazany, ny kafe, ny fary ho siramamy, ny voanjo ho menaka mba ahafahan’ireny vokatra ireny ho azo tahirizina fa tsy ho lo fotsiny eo na voatery amidy mora loatra. Toy izany koa ny seha-pihariana lavanila, « tiako kokoa raha misy ozina manodina ny lavanila eto Madagasikara (extraction) izay vao manondrana”.

Tsapa koa anefa fa ny tsy fahampian’ny angovo no anisan’ny lesoka lehibe amin’ny fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara. Izany indrindra no anisan’ny antony nisafidianana ny ozinina kely isa-tanàna, tsy mitaky angovo matanjaka be ahafahany mihodina. Ozinina sady afaka mihodina amin’ny milina mandeha amin’ny solika no afaka mihodiana amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro no tsara indrindra. Ireo no ilaina maika, hoy ny ministra, ary ny tena tsara dia ny hisian’ny fifanarahana haingana eo amin’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny ministera indiana misahana izany.Namaly moa ny Ambasadaoro fa hijery haingana ireo mpamokatra ny milina ho an’ireo indostria ireo izy ary tonga dia asainy mifandray mivantana amin’ny tompon’andraikitra eto Madagasikara. Ny resaka angovo azo havaozina koa dia ananan’ny firenena indiana traikefa ambony ka vonona izy hampandroso ny fiaraha-miasa amin’izany

Vous aimerez aussi...