FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY ANMCC SY NY FCCIM

Tontosa ny 14 jolay 2021 tetsy Antanimena ny fanaovan-tsonia ho fiaraha-miasa eo amin’ny ANMCC na « Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales » sy ny Fikambanan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara na FCCIM izany. Ny fanaovan-tsonia izay natrehan’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana dia manamarika hatrany ny fifanampian’ny roa tonta eo amin’ny fanatsarana sy fahombiazana eo amin’ny fanatanterahan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria miisa 24 ny asan’izy ireo manerana ny Nosy. Ity fiaraha-miasa ity dia mikendry ny fanomezana fampiofanana mandritra ny roa taona ary olona miisa 1300 eo ho eo no hisitraka izany. Nohamafisin’Atoa Sekretera Jeneraly eto anivon’ny MICA fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa tahaka izao ho tombon-tsoan’ny vahoaka ifotony ary ahafahan’ny mpiara-miombona antoka rehetra manohana ny fampiroboroboana ny fandraharahana.

Vous aimerez aussi...