Fiaraha-miasa ho fanatanterahana ny velirano: Nifamarafara ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ireo Talem-paritra

Fihaonana voalohany teo amin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ireo Talem-paritra (DRICC) ny androany Talata 21 Febroary 2023 ho amin’izao taona vaovao izao. Fotoana izay nanomezan’ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) ny toromarika amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Minisitera any amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy.

Nozaraina araka izany ny fomba fijery sy ny lalan-tsaina amin’ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy izay efa natomboka tany amin’ireo distrika sasantsasany. Nanentana ireo Talem-paritra koa ny Minisitra hijery akaiky ny famatsiana PPN ny mponina indrindra amin’izao fotoanan’ny maitso ahitra izao. Hatao fanao ny ny dinik’asa miaraka amin’ireo mpandraharaha ara-barotra toy ny mpanafatra entana ahafahana mandrindra ny famatsiana. Omen-danja koa anefa, etsy ankilan’izany, ny vokatry ny tantsaha eto an-toerana.

Naneho fahavononana hatrany amin’ny fiaraha-miasa moa ireo Talem-paritra tonga tetsy Ambohidahy.

Vous aimerez aussi...