Fiaraha-miasa Madagasikara–Vondrona Eoropeana: Nikaroka vahaolana amin’ny raharahan-davanila ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana

Ho fiarovana ny tombontsoan’ny mpamboly sy ny vola miditra amin’ny fanondranana lavanila no ijoroan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Antony namerana ny vidy farany ambany eny amin’ny mpamboly sy amin’ny fanondranana. Nisongadina izany afak’omaly Talata 31 Janoary 2023 nandritra ny fandraisan’ny Minisitra misahana ny Varotra ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana, Ramatoa Delattre Burger. Nazava tamin’ireo mpividy iraisam-pirenena nihaonana na tany Frantsa na tany Etazonia izany rehetra izany ary naneho fahavononana hividy izy ireo raha mametraka fitsipika tsy mitanila ny malagasy. Tsy izany anefa ny zava-mitranga fa na teo aza ny fifanekena vita sonia dia midongy tsy mandray ny lavanila avy aty Madagasikara ireo mpividy iraisam-pirenena ireo raha tsy milatsaka ny vidiny.

Naneho fahavononana hidinika an-databatra boribory moa ny Minisitra Edgard Razafindravahy manoloana ny zava-misy.

Nampanantena ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeana fa hiresaka amin’ny ambasadaoro frantsay sy alemà izay anisan’ireo tany mpandray ampahany betsaka amin’ny lavanila avy eto Madagasikara. Tokony ho fantatra mazava tsara mantsy ny antony mahatonga izao fihetsiky ny mpividy iraisam-pirenena izao. Madagasikara moa no mbola mitana ny laharana voalohany eran-tany amin’ny resaka lavanila na amin’ny famokarana io na amin’ny fanondranana izay tafakatra hatrany amin’ny 75%.

Mahavelom-panantena kosa ny sehatry ny jirofo sy letisia.

Vous aimerez aussi...