Fiarahabana ireo nahazo fahasoavana
Notanterahina omaly 10 Aprily 2019 teto amin’ny biraon’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa Tanana tety Anosy ny fiarahabana ireo nahazo fahasoavana (Mariazy sy tera-bao) ny taona 2018-2019. Izany moa dia hetsika sosialy eo anivon’ny mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Mpiasan’Indostria (FIMPI) izay natrehanan’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny MICA sy ireo mpiara miasa aminy.