Fiarovana ny mpanjifa

vary-simba

Vary simba 124 taonina tany Toamasina tsy maintsy nopotehina
Tsy azo hohanina intsony ireo vary ireo araka ny valin’ny fitiliana nataon’ny laboratoara. Nirosoana ny famotehana omaly Alatsinainy 15 Avrily 2024 ka ny 60 taonina notanterahana tao Antsarimasina, ny 64 taonina tao Barikadimy. Niaraka tamin’ny OMC izay notarihin’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, ny zandary ary ny polisy ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Atsinanana tamin’izany.
Tamin’ilay tranga voalohany moa dia tra-tehaky ny mpanaramaso ny varotra avy amin ‘ny DRIC Atsinanana niaraka tamin‘ny zandary teo am-panadiovana ireo vary simba izay efa nogiazana mihitsy ilay tompon’ny entana ka nandraisana fepetra mifanaraka amin’izany.

Vous aimerez aussi...