Fiarovana ny mpanjifa

Kapoaka tapaka miisa 21 no saron’ireo Mpanara-maso varotra tany Ambatondrazaka
Nanao bemidina tao amin’ny tsenaben’Ambatondrazaka ireo mpanara-maso avy ao amin’ny DRICC Alaotra Mangoro omaly Talata 26 Septambra 2023. Natao izao sava hao izao taorian’ny fitarainana avy amin’ny mpanjifa momba ny tsy fahampian’ny fatran’ny vary vidian’izy ireo.
Vokatr’izany dia kapoaka tapaka 21 no tratra nampiasain’ny mpivarotra. Nomena fampitandremana mafy ireo mpivarotra tsy manara-dalana. Hotohizana hatrany izao hetsika izao mba ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa.

source: DRICC

Vous aimerez aussi...