Fiarovana ny mpanjifa

Amafisina ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena.

Nidina ifotony nijery ny vidin’ny entana eny an-tsena teto Antananarivo Renivohitra, indrindra fa ny vary, ny mpanara-maso avy amin’ny DCI, DPC, DRICC Analamanga eto amin’ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana, androany Alakamisy 28 Desambra 2023. Izany no natao dia hisorohana ny mety ho fanararaotana ataon’ny mpivarotra amin’izao vanim-potoanan’ny fetin’ny faran’ny taona izao.

Toy izao ny vidin’ny vary teny an-tsena :

– Vary semence : 800 – 850 Ar/kp

– Vary Tsipala : 800 – 850 Ar/kp

– Vary Dista : 900 – 950Ar/kp

– Vary Makalioka : 900 – 950Ar/kp

– Vary Gasy Mena Manalalondo : 900 – 950Ar/kp

– Vary Import 25% : 800 – 850Ar/kp

– Vary Import Luxe : 950Ar/kp

Amin’ny ankapobeny dia ampy ny famatsiana ny tsena na dia ao anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra aza isika. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo mpivarotra mba hanaraka hatrany ny lalàna mifehy ny varotra sy hitsinjo ny mpanjifa.

Sary nomena

Vous aimerez aussi...