FIAROVANA NY MPANJIFA, AFOVOAN’NY ASA EO ANIVON’NY MICA
Nihaona tamin’ireo mpanaramaso ara-barotra andiany faha 28 misalotra ny anarana « TAFITA » izay vita fianianana ny 07 jona lasa teo ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana, Rtoa Lantosoa RAKOTOMALALA anio tetsy Anosy ho fanamafisana ireo andraikitry ny mpanaramaso ara-barotra eo amin’ny asa fiarovana ny mpanjifa izay andraikitra lehibe sahanin’ny ministera sy ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena.
Fotoana iray nahafahana nizara ihany koa ny fomba fijery sy ny vina eo amin’ireo foibem-pitondrana ankapobe telo eto anivon’ny minisitera :
– Fanovana tanteraka ny fomba fijery eo amin’ny sehatry ny asatanana sy ny asan’ny mpanao asatanana
– Fiarovana ny mpanjifa sy fitsinjovana ny tombontsoan’ny mpanjifa
– Famokarana ifotony sy eto an-toerana ny filan’ny vahoaka amin’ny andavanandrony