Fiarovana ny mpanjifa: Mandray anjara feno isan’andro ny eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana

Nanamafy ny Talem-paritra (DRICC), Belalahy Jean Berchmans, mikasika ireo hetsika tontosana andavan’andro ho fiarovana ny mpanjifa aty amin’ny faritra Atsinanana. Midina isan’andro eny an-tsena ny ekipan’ny DRICC manao fitsirihana ny vidin’entana, ny fanarahan’ny mpisehatra ara-barotra rehetra ireo fepetra tsy maintsy arahina (fametahana ny vidin’entana, fananana ny taratasy ara-barotra) ; ny fanamarinana ny kalitaon’ny entana eny an-tsena ; ny fitsirihana mivantana makany amin’ireo orinasa mpamokatra eo amin’ny faritra ary ny fiantohana ny famatsiana ny entana eny an-tsena ho an’ny mponina.

Tsy mitsahatra ny ezaka atao isam-paritra ho fitsinjovana ny mpanjifa izay isan’ny asa andavanandron’ny Minisitera.

Vous aimerez aussi...