Fiarovana ny mpanjifa: mitohy hatrany ny asa tanterahan’ny minisitera

Araka ny nambaran-dRtoa Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana dia mitohy hatrany ny asa tanterahan’ny minisitera mikasika ny fiarovana ny mpanjifa. Isan’ireo asa 3 lehibe mahakasika ny entana ilaina andavanandro (PPN) ny fihaonana niarahan’ny MICA sy ny mpandraharaha mpanafatra entana avy ny ivelany ary ireo indostria misehatra amin’ ny (PPN) izay tontosa ny 05 Novambra lasa teo. Tapaky ny rehetra nandritra ny fifanakalozana ny maha-zava-dehibe ny fisian’ny fahamarinan-toeran’ny famatsiana sy ny rafi-bidin’ny entana ilaina andavanandro. Nanamafy ihany koa Rtoa Minisitry ny MICA fa efa mipetraka ireo rafitra rehetra hanamorana ny asan’ny mpandraharaha misahana ny PPN miampaka mivantana any amin’ny mpanjifa. Miaraka amin’ireo dia mitohy hatrany ihany koa ny fidinan’ny tompon’andraikitra avy eto amin’ny minisitera eny an-tsena manara-maso ho fitsinjovana hatrany ny mpanjifa.

Vous aimerez aussi...