Fiarovana ny mpanjifa : Nahatratra ronono mandry lany daty ny mpanara-maso ny tsena

Nidina teny Anosibe, Mahamasina, Ambanidia ary Namontana ny mpanara-maso avy amin’ny DPC (Foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa) omaly Alakamisy 13 Oktobra 2022. Hita tamin’izany ny ronono mandry lany daty sy efa manakaiky ny fe-potoana farany azo ampiasana azy. Notoroana hevitra ny mpivarotra hampidina ny vidin’ireo entana atahorana ho lany daty, handafosana azy ireny haingana. Nobeazina ihany koa izy ireo tsy hampifanakaiky ny sakafo sy ny entana misy singa simika toy ny mofo sy ny savoka na koa ny ranon-javely sy ny bisky.
Marin-toerana kosa ny vidin’ny vary nafarana, ny siramamy nafarana ary ny menaka. Nahitana fiakarany kely ny lafarinina avy any ivelany. Raha 148 000 Ar ny lasaka tamin’ny herinandron’ny 03 Oktobra 2022 teny amin’ny mpaamongady dia lasa 154 000 Ar izany ankehitriny. Ny antony dia satria tahiry avy any Toliara ireo miakatra ireo fa tsy ny avy any Mahajanga ka somary lafo ny saram-pitaterana. Efa manomboka tonga kosa ny lafarinina avy any Toamasina ka heverina fa hiverina amin’ny laoniny ihany io vidin’ny lafarinina io amin’ny herinandro ambony.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...