Fiarovana ny mpanjifa: Nanomboka ny fandorana ireo vary simba tany anaty sambo tany Toamasina.

Manatanteraka ny fandorana ny vary amin’ny toerana somary mivoaka ny tanànan’i Toamasina ny avy amin’ny MICC, ny SPM, ny DRICC Atsinanana. Nanatrika kosa ireo manam-pahefana isan-tsokajiny any amin’ny faritra.
Nanao fisafoana ny tao amin’ny seranan-tsambo sy teny an-tsena moa ny iraka avy amin’ny minisitera androany. Tsy nahitana vary mampiahiahy teny amin’ny toerana nolalovana. Any amin’ny 150 taonina any ho any ny fitambaran’ireo vary lo ka tsy maintsy ho potehina.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...