Fiarovana ny mpanjifa: Tsy tafavoaka an’i Madagasikara ireo zava-pisotro saika halefa any Comores
Tsy maintsy nopotehina ireo zava-pisotro lany daty tany Mahajanga ho tohin’ny fangatahan’ny mpandraharaha momba ny fampitana (transitaire) BOLLORE. Notontosaina afak’omaly 14 Novambra 2022 ny fombafomba rehetra nanatanterahana izany.
An’ny mpandraharaha iray mpizara entana (distributeur) any Comores moa ireo boissons ireo nefa dia ka saika haondrana any moa ireto zava-pisotro ireto. Taraiky tao anatin’ny sambo tao Mahajanga anefa izany na dia efa tokony ho nandeha ny volana Aprily 2022 aza. Nohon’ny fisian’ny fanadihadiana izay natao tamin’ireo entana hafa nentin’ilay sambo no nahitana azy ireo.
Natrehan’ny vadintany sy ny avy amin’ny Fadintseranana ny fanapotehana ireo Fanta 50cl miisa 144 fonosana (packs) sy Limonade 50cl miisa 160 fonosana.
Sary DRICC