Fiarovana ny rojo-pihariana lavanila: Manohy ny fanentanana hiadiana amin’ny mpijirika ny CRV
Ny distrikan’i Vondrozo indray no nanohizana ny asa raha ny distrikan’i Farafangana sy Vangaindrano no efa vita teo aloha. Nisy fiatoana kely moa izany noho ny lamina. Nampahafantarina ireo tantsaha sy mpividy vokatra lavanila ny paik’ady hialana amin’ny mpijirika mialohan’ny fotoana. Nitarika ny ekipa nidina ifotony ny Filohan’ny CRV (Filankevi-paritra momba ny lavanila) Atsimo Atsinanana Kolonely Spener. Niara-dia taminy ny solontena avy ao amin’ny DRICC Atsimo Atsinanana, ny avy amin’ny sampan-draharahan’ny Fambolena any Vondrozo, ny avy amin’ny distrika Vondrozo ary ny Zandarimariam-pirenena ao Vondrozo. Voatsidika tamin’izany ny kaominina Manambidala,Vohimary Atsimo, Antokonala, Anandravy, Andoharano, Mahatsinjo. Nahatsapa ny tantsaha fa tsy irery amin’izao fanakaikezan’ny fanjakana amin’ny fiarovana ny vokatra lavanila izay efa nimasoany nandritra ny fotoana ela izao.
Sary DRICC