Fiarovana ny zon’ny mpanjifa: Hiara-hiasa amin’ny mpitandro ny filaminana ny DRICC hanerena ny mpivarotra hitondra ny mizana ho tsaraina

Tsy mahafapo ny vokatra satria vitsy ireo mpivarotra no tonga nitondra ny mizanany ho tsaraina raha oharina tamin’ireo nomena taratasy fiantsoana.
Nandritra ny efatra andro ny nijanona tao an-tanànan’i Moramanga ny ekipa mpitsara fitaovam-pandanjana avy amin’ny DRICC Alaotra Mangoro tamin’ny herinandro lasa iny. 64 ireo mizana notsaraina ka ny 43 tamin’ireo no nila fanamboarana. Maro araka izany ireo mizana sy vatomizana no mila fanitsiana. Nahazoana fitarainana izany.
Hanetsika ny mpitandro ny filaminana ny Fitaleavam-paritra hanohizana ny hetsika fitsarana fitaovam-pandanjana any Moramanga.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...