Fiarovana ny Zon’ny Mpanjifa

Nirotsaka niaraka tamin’ny mpanara-maso ny varotra ny FIMPA
Ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa FIMPA indray no niara-dalana tamin’ireo mpanara-maso ny varotra nidina teny Ankatso, Ampasanimalo ary Ambanidia omaly 6 Avrily 2022. Nentanina ireo mpivarotra tsy hihoatra ny vidin’entana farany ambony ary “tokony hisy hatrany ny fifaninanana eo amin’ny samy mpivarotra eny an-tsena”. Nampahatsiahivina koa ny fepetra toy ny tsy maintsy ametrahana mazava tsara ny vidin’entana, ny fitsarana ny fitaovam-pandanjana, ny fanaraha-maso akaiky ny datin’ny entana amidy.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...