Fiarovana ny zon’ny mpanjifa:Nanentana ny mpivarotra hanaja ny vidin’entana noferana ny FIMZOMPAM

Ivato, Talatamaty, Ambohidratrimo, hatrany Mahitsy no toerana nidinan’ny Fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa FIMZOMPAM niaraka tamin’ireo mpanara-maso iraka avy amin’ny Foiben-draharaha misahana ny fiarovana ny mpanjifa (DPC) omaly ho fiaraha-mientana hitsinjovana ny mpanjifa manoloana ny zava-misy ankehitriny. Nanentana ny mpivarotra hanaja ny vidin’entana izy ireo tamin’izany. Nobeazina koa ny mpivarotra hanaja ny lalàna velona indrindra ny lalàna mifehy ny fifaninanana.
Sary FIMZOMPAM

Vous aimerez aussi...