Fiarovana ny zon’ny mpanjifa:Napetraka mazava tamin’ireo mpanafatra entana sy mpamongady ao Toliara ny fitsipiky ny asany araka ny lalàna

Tsy fanafenana entana, fanomezana faktiora, fanehoana mazava ny vidin’entana ary ny fanambarana ny tahiry. Nampahatsiahivina an’ireo mpanafatra entana sy mpamongady ao Toliara izany rehetra izany. Novorian’ny DRICC Atsimo Andrefana izy ireo tamin’ny Zoma 09 Septambra 2022 lasa teo.
Nitohy tamin’ny fijerena ireo tahiry isaky ny trano fanatobiana misy rehetra ao Toliara izany ny Alatsinainy 12 Septambra 2022. Tsapa tamin’izany fa tena betsaka ireo tahiry (65 000 taonina) ao Toliara izay entina hamatsiana ny faritra Atsimo Andrefana sy ny tapany Atsimo rehetra.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...