Fidinan’ny Ministra Edgard RAZAFINDRAVAHY tany Toamasina: Tsy misy ahiana ny famatsiana PPN mandritra ny fahavaratra. Marin-toerana koa ny vidin’entana eny an-tsena.

Dieny izao sahady dia tsy maintsy apetraka ny paik’ady hitantanana ny famatsiana ny mponina mandritra ny fotoanan’ny maitso ahitra araka ny toromarika nomen’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana an’ireo mpiara-miasa aminy. Tafiditra anatin’izany indrindra ny fitsidihany tao amin’ny Seranantsambon’i Toamasina omaly Zoma 18 Novambra 2022. Nijery ny fampidinana avy any anaty sambo ny vary nafaran’ny SPM sy Orinasa tsy miankina hafa koa ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny mpiara-dia aminy.
Nitohy tamin’ny fidinana tao amin’ny trano fanatobiana entan’ny SPM sy ny Orinasa manafatra vary Océane Entreprise izay samy ao Tanandava Toamasina izany ka nahitana ireo tahiry ao amin’izao fotoana izao. Nifarana tamin’ny fizahan’ny Minisitra ny zava-misy ao amin’ny tsenan’i Bazary Kely moa izany rehetra izany omaly atoandro ka nifanatrehany tamin’ireo mpivarotra mpamongady sy mpaninjara.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...