Fifanarahana MICA – Fihariana
Maneho ny fitohizan’ny hetsika maro ho fampandrosoana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ny fifanarahana nataon’ny MICA sy ny fandaharan’asa nasionaly Fihariana. Isan’ireo laharam-pahamehana amin’izany ireo foto-drafitr’asa akaiky ahafahana manohana ireo olom-pirenena manana tetikasa eny anivon’ny faritra amin’ny alalan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria (CCI).