Fifanatrehan’ny governemanta sy ny antenimieram-pirenena:Nanaovana hetsika manokana ny fanadiovana ny seha-pihariana lavanila

Nampidi-bola any amin’ny 590 tapitrisa Dôlara ny fanondranana lavanila mankany ivelany nandritra ny taom-piotazana 2021-2022 araka ny Tatitra nataon’ny Praiminisitra nanoloana ireo Solombavambahoaka. Noferana ho 75 000Ar ny vidy farany ambany ivarotan’ny mpamokatra ny iray kilao amin’ny lavanila maitso. 250 Dôlara kosa no andafosana azy eo amin’ny Tsena iraisam-pirenena. Natsangana ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila hametraka amin’ny toerana sahaza azy ny asa momba ny lavanila sy hitsinjo ny tombontsoan’ireo mpamboly lavanila. Ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana Edgard Razafindravahy no nisantatra ny famaliana ny fanontanian’ny Solombavambahoaka omaly alin’ny 28 Jona 2022 teny amin’ny CCI Ivato.

Vous aimerez aussi...