Fifandimbiasam-pitantanan-draharaha:Tontosa ny famindran’andraikitra teo amin’ireo Sekretera Jeneralin’ny MICC

Androany 14 Aprily 2022 maraina no namindra ny fitantanan-draharaha tamin’ny Sekretera Jeneraly vaovao Rakotondramanana Onja Miandry ny Sekretera jeneraly teo aloha Ramananarivo Andriamampiandra Heriniaina.
Fanamby lehibe roa no miandry ny Sekretera Jeneraly vaovao, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy dia ny mahakasika ny vidim-piainana, izay asa mankadiry tokoa eto amin’ny firenena, ary ny Taninketsa Indostrialy, izay mila asiana kase manokana. Taninketsa iray tafatsangana mira fandresena iray ho an’i Madagasikara. Tsara ny mamokatra, fa ilaina indrindra ihany koa ny manara-penitra. Raha tafapetraka soa aman-tsara manerana ny Nosy ny taninketsa Indostrialy, hoy ihany ny Minisitra, dia hiova ny fiainan’ny mponina sy ny tantsaha. Tsy hanafatra menaka intsony ny faritra izay mamokatra izany.
Tsodrano sy firariantsoa kosa no nomena ny Sekretera jeneraly teo aloha izay vonona hanampy sy manolotra ny traikefany ho an’ny asa fanompoana ny Tanindrazana.

Vous aimerez aussi...