Fifaninana maneran-tany “cacao durable”:Nibata medaly volamena 1 sy medaly alimo 2 ny mpandray anjara avy any Ambanja

Tamin’ireo firenena 52 mpamokatra kakao eran-tany dia nahazo medaly volamena 1 sy medaly alimo 2 ny Malagasy. Nisolo tena antsika tamin’ity fifaninanana ity moa ny mpandray anjara avy any Ambanja.
Napetraky ny CNC ( Filankevi-pirenen’ny kakao) tamin’ny toerana mendrika azy izy ireo omaly Alakamisy 13 Oktobra 2022 ka nanaovana lanonana fanolorana ireo medaly ireo tany Ambanja.
Nisy ihany koa ny fifaninanana nasionaly izay nizarana loka 14 ka ny loka 12 tamin’izany dia azon’ireo mpamokatra sy kaoperativa misehatra amin’ny kakao ao anatin’ny distrikan’Ambanja avokoa.
Nampitondra ny teny fisaorana ho an’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny mpandray anjara rehetra amin’ny fikarakarana sy fanandratana avo dia avo ny seha-pihariana kakao. Tonga nanotrona izany ny solontenam-panjakana any amin’ny faritra.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...