Fifanomezan-tanan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina
Nizara fahalalàna tamin’ireo mpianatra hisehatra amin’ny fandraharahana ny MICC
Naompana tanteraka amin’ny fahasahiana mandraharaha ny fampiofanana ireo mpianatra andiany faharoa amin’ilay fandaharan’asa PSM (Pôle Stage Madagascar) na Tendro ifampizaràna androany Alakamisy 28 Aprily 2022 tapak’andro maraina. Nandritra izany no nanaovan’ny ekipan’ny DPE (Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana) eto anivon’ny MICC fanentanana mikasika ny kolontsaina mandraharaha, ny lalan-tsaina entina ao anatin’ny fandraharahana ary ny tari-dalana ilaina ho amin’izany.
Tafiditra anatin’ny fiaraha-miasa nataon’ny MICC sy ny SIM (Sendikàn’ny Indostria eto Madagasikara) ary ny Sekoly ambony Sonia ny volana Marsa 2021 nametrahana ny fandaharan’asa PSM izao fampiofanana izao. Nanomboka ny 25 ka hatramin’ny rahampitso 29 Avrily 2022 ireto mpianatra ireto no misitraka fampiofanana etsy amin’ny foiben’ny SIM Analakely ho fiomanan’izy ireo amin’ny fizarana asa eny anivon’ny orinasa.