Fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny CCI: Ifampizaran’ny vondrona 7 ny toerana 25 ao amin’ny CCI Amoron’i Mania

Ny MITRAKA nahazo toerana 08, FIVMPAMA 05, LOHARANO 04, HAJAN’AMBOSITRA 04, EZAKA 02 ary iray avy kosa ho an’ny MAHOMBY sy ny FIVOY. Izay no vokatry ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Amoron’i Mania notontosaina afak’omaly 02 Novambra 2022 tany Ambositra.
Mpandraharaha mpifidy 236 amin’ireo 315 voasoratra anarana no tonga nandatsa-bato. Nisy biraom-pifidianana avokoa ireo distrika 4 mandrafitra ny faritra Amoron’i Mania dia Ambositra, Fandriana, Ambatofinandrahana ary Manandriana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...